Nitsidika ny Oniversiten’Analanjirofo ao Fenoarivo Atsinanana ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 28 septambra 2024. Araka ny nambarany dia fahombiazana tanteraka ity oniversite manakaiky vahoaka ity, izay tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana. Efa miasa sy navaozina tanteraka ny oniversite ary mandray mpianatra700 amin’izao fotoana izao. Nohon’ny fisian’ny fotodrafitrasa dia vinavinaina ny hampitombo ho avo roa heny io isan’ny mpianatra io.
Ity oniversite mahaleotena ity dia mamaly ny filan’ny mponina any amin’ny Faritra Analanjirofo ary manana efitrano fianarana, birao, efitrano fatoriana, ary laboratoara maoderina. Nanentana amin’ny fikojakojana sy fitandrovana ireo fotodrafitrasa ny Minisitra mba ho lovain-jafy.
Ny 27 septambra 2024 lasa teo dia namoaka mpianatra 192 ny Oniversiten’Analanjirofo, izay nahazo ny diplaoma Licence sy Master, avy ao amin’ny Sampam-piofanana momba ny Agronomia sy ny Fitantanana.
Nanamafy ny Dr SOAVELO Andriamihaja Rina, Filoha mpisolo toeran’ny Oniveriten’Analanjirofo, fa ny oniversitem-panjakana dia tsy mena-mitaha amin’ny oniversite hafa maneran-tany.