Ao anatin’ny fitsidihana ataon'ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, any Toamasina, dia nihaona tamin’ ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Oniversiten'i Toamasina ny tenany, ny 27 septambra 2024, izay notarihan’ny Filohan’ny Oniversite, Pr RAZANAKOLONA Diny.
Ankoatra izany, nitsidika ny Oniversite ihany koa Ramatoa Minisitra ka nahafahana nijery ifotony ireo zava-misy ao an-toerana toy ny fotodrafitrasa.
Koa satria mametraka ho zava-dehibe ny fifampiresahana sy fifanakalozana ny tenany dia nihaona tamin'ireo mpampianatra, mpandraharaha, ary solotenan'ny mpianatra ao Barikadimy ihany koa izy. Fotoana izay niresahana sy nihainoana ny hetahetan'izy ireo amin'ny fampandrosoana ny fampianarana sy ny fanatsarana ny kalitaon'ny fampianarana amin'ny ankapobeny. Nandroso vahaolana sy torolalana mifanaraka amin'izany avy hatrany Ramatoa Minisitra.