Tsy mitsahatra ny mampiakatra ny kalitaon'ny fampianarana ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Ao anatin'izany dia notanterahina teto Fiadanana ny 25 septambra 2024, ny atrikasa momba ny fampivoarana ny fiofanana arak’asa iarahana miasa eo amin’ny sehatry ny rano, izay natrehin'ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, ny Profesora LAZAMANANA André Pierre.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharan'asa "DEFI EAU" ity tetikasa ity ary mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo, amin’ny alalan’ny fananganana lalam-piofanana matihanina manokana amin’ny sehatry ny rano, ahazoana ny diplaoma "Licence" sy "Master".
Oniversite dimy eto Madagasikara no hisitraka izany, dia ireo "Institut Supérieur de Technologie" (IST) Antsiranana sy Antananarivo ary Ambositra, ny Oniversiten'Antsiranana ary ny Oniversiten'Antananarivo. Haharitra 36 volana ny tetikasa ary vatsian’ny Vondrona Eoropeana vola amin’ny alalan'ny fandaharan'asa iraisam-pirenena "ERASMUS +" .
Miaraka mandrindra ny tetikasa amin'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa sy ny Ministeran’ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana, ny Oniversiten’i Limoges ao Frantsa, ireo mpampianatra mpikaroka eto Madagasikara, ary ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatry ny rano.