Nandray ny asany ny Tale Jeneralin’ ny Fampianarana Ambony

Noraisina nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 06 martsa 2024 ny Didim-panjakana manendry ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony, Pr LAZAMANANA André Pierre.

Notanterahina androany 07 martsa 2024 ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambony mpisolo toerana, Pr SALAVA Julien sy ny Tale Jeneraly vaovao. Nanamafy ity farany fa hanohy ny ezaka rehetra amin'ny fanatsarana ny fampianara ambony ary miantso ny fiaraha-mientana amin’ny mpiara-miasa tsy an-kanavaka.