Amin’ny alalan’ny fanohanana ireo fiaraha-miasa amin’ny ivon-toeram-pikarohana sy ny mpiara-miombona antoka, ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) izay tarihin'ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy dia manamafy ny fampivelarana ny fikarohana sy ny fanomezana lanja ny vokatra azo, mba hahatonga azy ireny ho vahaolana azo ampiharina sy mitondra tombontsoa ho an’ny fiarahamonina.
Maneho izany ny fiaraha-miasan’ny Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT), miaraka amin’ny Madagascar Biodiversity Center (MBC), ary ny California Academy of Sciences, izay mifantoka amin’ny fikarohana momba ny bibikely sy ny harena voajanahary eto Madagasikara.
Nankalazaina ny 27 Novambra 2026 ny faha-20 taonan’ny MBC, ka nisolo tena ny MESUPRES tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana Ara-tsiansa (DGRS) Pr RATSIMBASOA Claude Arsène.
Anisan’ny lehibe amin’ny fikarohana ataon’ny PBZT miaraka amin’ny MBC ny mikasika ny lalitra, ny vitsika, ny angelikary, ny vers de farine sy ny hafa. Tanjona amin’izany ny hitadiavana fomba hampiasana ny bibikely ho loharanon-proteinina amin’ny sakafom-biby, hampihenana ny fampiasana akora simika ary hanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Miara-miasa amin’ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony ihany koa ny mpikaroka amin’ny fampivelarana ireo vokam-pikarohana.