Nofaranana tamin'ny fomba ôfisialy ny 27 Novambra 2026 ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Oniversite eto Antananarivo.

Ho mariky ny firaisankina sy ny fiombonana eo amin’ny tontolon’ny Anjerimanontolo, dia nanotrona izany fotoana izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Fotoana nanehoana ny fifamatorana eo amin’ireo mpisehatra rehetra, ho fanamafisana hatrany ny anjara toeran’ny Oniversite eo amin’ny fampianarana, ny fikarohana ara-tsiansa ary ny fampandrosoana ny Firenena.

Teny filamatra nandritra ny fankalazana ny hoe “ Firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana “.