𝑀𝑖𝑡𝑜ℎ𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑡𝑒𝑡𝑒𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑖𝑟𝑒𝑜 𝑂𝑛𝑖𝑣𝑒𝑟𝑠𝑖𝑡𝑒 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑘𝑎𝑛-𝑘𝑒𝑣𝑖𝑡𝑟𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑜 𝑓𝑜𝑛𝑒𝑛𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑡𝑟𝑎.

Taorian’ny nanatanterahana izany tao amin'ny Oniversiten’i Mahajanga sy ny Oniversiten’Antsiranana dia nitohy tao amin'ny Oniversiten'i Toamasina ny 27 novambra 2026 ny fakan-kevitra ho famolavolana ny Politika Nasionaly momba ny trano fonenan’ny mpianatra, notarihin'ny Talen'ny "Centre National des Œuvres Universitaires", Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Steph Eric.

Angonina mandritra izao fifampidinihina izao ireo soso-kevitra avy amin'ireo mpisehatra samihafa hanatsarana ny trano fonenan’ny mpianatra, ary amin'izany no hamolavolana ny politika nasionaly mifandraika amin'ny tranga misy eny anivon'ny Anjerimanontolo.

Tanjona amin’izao fakan-kevitra izao ihany koa ny mamantatra ny olana sedrain'ny mpianatra amin'ny trano fonenany, ny filàny ary ny olana sedrain'izy ireo. Ho arafitra mandritra izany ireo fepetra hahazoana trano sy ny fomba fitantanana ary ny andraikitry ny tsirairay, amin'ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa.

Hotanterahina amin’ireo Oniversite manerana ny Nosy ny fakan-kevitra izay mbola mitohy hatramin'ny 11 Desambra 2026.