Nitsidika ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo eny Vontovorona ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla, ny 12 septambra 2024.

Nijery ny zava-misy teny an-toerana sy nitondra fanampiana manoloana ny tetik'asa izay karakarain'ireo mpianatra izy nandritra izany. Isan’izany ny fanorenana ny trano R+1 izay fotodrafitrasan’ny fitondram-panjakana, ny « Atelier LuBan » fiaraha-miasan’ny Sekoly amin’ny Governemanta Sinoa, izay tafiditra indrindra ao anatin'ny programan'asan'ny Filohan'ny Repoblika dia ny fampiroboroboana ny indostria. Tsy adino ny trano fanaovana printy na « salle d’impression » izay tetikasa lavitr’ezaka natsangan’ireo mpianatra nohon’ny fiaraha-mientan’izy ireo. Nanolotra fanampiana ho fandraisana anjara amin’izany ny Ministera.

Nidera, nisaotra ary nankasitraka ny zava-bitan’ireo mpianatra Ramatoa Minisitra amin’ny fandavan-tenan’izy ireo hamela fotodrafitrasa maharitra hoan’ny zandry sy ny taranaka. Isan’ny azo atao fitaratra amin’ny fiaraha-mientana ahafahana mampandroso an’i Madagasikara izany, araka ny nambarany.

Fisaorana no natolotry ny Talen'ny Sekoly Ambony Politeknikan’Antananarivo sy ny Filohan'ny Fikambanan’ny mpianatra eny an-toerana manoloana ny fitsidihana izay nataon'ny Minisitra mpiahy.