Naneho ny firaisankina sy ny fanohanany ny sehatry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Araka asa (ETFP) ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), nandritra ny lanonana fanokafana ofisialy ny taom-pianarana sy fanofanana 2026–2027, izay notanterahina ny 27 novambra 2026, teny amin’ny Kianjan’Alarobia.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely ANDRIAMIHARITSOA Gervais. Nanatrika izany ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Tanjona amin’ity hetsika ity ny hanamafy ny firaisankina, ny fiaraha-mientana ary ny fifandraisana eo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana araka asa, ho fampiroboroboana ny fahaiza-manao sy ny fampifanarahana ny fanofanana amin’ny filàn’ny tontolon’ny asa.