Ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony dia anisan’ny fanavaozana napetraky ny MESUPRES ny Politika Nasionaly momba ny Fampananana asa ny tanora izay mifototra amin’ny Décret n°2026-1483.

Mba hanamafisana ny fampiharana izany eny anivon’ny Oniversite, dia nanatanteraka atrikasa fampahafantarana tao amin'ny Oniversiten'i Toamasina ny Fitaleavana Ankapoben’ny Fampianarana ambaratonga Ambony (DGES), ny 26 novambra 2026. Nanokatra izany ny Sekretera Jeneralin’ny MESUPRES, Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala. Fotoana iray nahafahana nanome lanja ny fahaiza-manao sy ny traikefa efa azo mifandraika amin’ny fampananana asa ihany koa ny atrikasa.

Tanjon’ny Minisitera amin’ity paikady ity ny hahafahan’ny mpianatra mahita asa avy hatrany rehefa vita ny fianarany, na koa mamorona asa ho azy ireo. Noho izany, ilaina ny fanatsarana ny fiofanana sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Oniversite sy ny mpampiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina ary hapetraka hatrany am-pamolavolana ny fiofanana izany fiaraha-miasa izany, mba hahafahana mampifanaraka ny fiofanana atolotra amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa.

Nandray anjara tamin’ity atrikasa ity ireo Tompona andraikitra avy amin’ireo sampam-pianarana, lalam-piofanana avy ao amin’ny Oniversite ao amin’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Miara-miasa amin’ny fanatanterahana izany ireo mpiara-miombona antoka dia ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF) sy ny Masoivohon'i Frantsa eto Madagasikara amin'ny alalan'ny tetikasa TAFA.