Nankalazaina ny 26 novambra 2026 teny Ankatso, ny faha-90 taonan’ny Profesora RAOELINA ANDRIAMBOLOLONA, manam-pahaizana Malagasy momba ny fizika nokleary ary anisan’ireo mpikaroka nanana anjara toerana lehibe teo amin’ny fampandrosoana ny fikarohana ara-tsiansa eto Madagasikara ary fantatr'izao tontolo izao ny zava-bitany. Nanatrika izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Nohamafisin’ny Minisitra tamin’izany fa manome lanja ny fikarohana ara-tsiansa ny MESUPRES, ary manohana ny mpikaroka Malagasy amin’ny fampivelarana ny fikarohana hahafahana mamadika ny voka-pikarohana ho vahaolana azo ampiharina sy mitondra fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainan’ny Malagasy.

Mpampianatra mpikaroka teo anivon’ny Anjerimanontolo i Pr RAOELINA ANDRIAMBOLOLONA ary isan’ireo nanorina ny “Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires” (INSTN), notokanana ny 26 Novambra 1992 teny amin’ny Fakioloten’ny siansa, Oniversiten’Antananarivo. Nandray anjara tamin’ny fanofanana sy fampivelarana mpikaroka sy manam-pahaizana maro ihany koa izy ary mpikambana ao amin’ny “The World Academy of Sciences (TWAS), akademia maneran-tany mampivondrona ireo manam-pahaizana miavaka eo amin’ny sehatry ny siansa.

Nankasitrahana ny ezaka sy ny zava-bitany nandritra ny taona maro, izay azo raisina ho lesona ho an’ny taranaka mpikaroka, indrindra ny fikirizana, ny fahendrena, ny fanetren-tena ary ny fitiavan-tanindrazana.

« 𝑅𝑒𝑔𝑎𝑟𝑑𝑠 𝑐𝑟𝑜𝑖𝑠𝑒́𝑠 𝑠𝑢𝑟 𝑢𝑛𝑒 𝑣𝑖𝑒 𝑑𝑒́𝑑𝑖𝑒́𝑒 𝑎̀ 𝑙𝑎 𝑠𝑐𝑖𝑒𝑛𝑐𝑒, 𝑎̀ 𝑇𝑊𝐴𝑆 𝑒𝑡 𝑎̀ 𝑙𝑎 𝑡𝑟𝑎𝑛𝑠𝑚𝑖𝑠𝑠𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑢 𝑠𝑎𝑣𝑜𝑖𝑟 ».