Nanatrika ny fanokafana ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny SOAMIDITRA, ao amin’ny Mention Communication, Médiation, Médias et Organisations (COMMO), Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny Siansa maha-Olona (FLSH), ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, niaraka tamin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriamatoa O'Gascar Fenosoa Mandrindrarivony, ny 26 Novambra 2026, tao amin’ny Bibliothèque Universitaire Ankatso.

Hetsika fandraisana ireo mpianatra vaovao sy fampidirana azy ireo amin’ny fiainana Anjerimanontolo ny SOAMIDITRA ary mampiroborobo ny fifanajana, ny fiaraha-miasa, ny fifampizarana ary ny fandraisana andraikitra. Sehatra iray mampifandray ireo mpianatra nifandimby ao amin’ny COMMO ihany koa.

Mandritra ny telo andro, dia hisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny tantara sy ny hoavin’ny COMMO, ny fizarana traikefan’ireo alumni, ny fampiroboroboana ny talenta sy ny famoronana, ary ny fampifandraisana ireo mpianatra amin’ireo mpiara-miombona antoka sy ny tontolon’ny asa.

Marihina ao anatin’ity fankalazana ity ny dian’ireo mpianatra nifandimby, ny traikefa sy ny soatoavina navelany, ary ny fanohizana ny fampiroboroboana ny serasera, ny fampianarana ary ny fikarohana.