Taorian’ny fanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny sehatra nomerika e-Courrier, ny 13 novambra 2026, dia notanterahina ny 24 novambra 2026 teto amin’ny foiben’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Fiadanana, ny fampiofanana ireo solontena avy amin’ny Oniversite, ny IST ary ireo ivon-toeram-pikarohana.

Nifantoka manokana tamin’ny fampiasana ny sehatra e-Courrier amin’ny fangatahana an-tserasera ny "Ordre de Mission" sy ny "Note de Présentation" ho an’ireo iraka ivelan’i Madagasikara ny fiofanana.

Mbola hitohy amin’ny alalan’ny fampiofanana eny anivon’ireo oniversite, IST ary ivon-toeram-pikarohana izany, mba hahafahan’ny rehetra mampiasa araka ny tokony ho izy ity sehatra ity.

Izao ezaka izao dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panafainganana ny fampiasana ny teknolojia nomerika eo anivon’ny Ministera, ho fanamorana ny fikarakarana sy fanaraha-maso ny antontan-taratasy ary indrindra ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra omena ireo mpisitraka.

Nanolotra ny fiofanana ny Fitaleavana misahana ny Rafitra informatika sy ny teknolojia vaovao (DSINT), tarihin'ny Dr RASOAMANANA Radoniaina Andriantsiresy.