Mitohy ny fihaonana ataon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, amin’ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny Fanjakana manerana ny Faritra, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao (DAAQ).
Ny tao Antsiranana indray no nandray izany ny 20 Novambra 2026, tao amin’ny Amphithéâtre Chocolat Fakiolten’ny Soratra. Fotoana nahafahana nifanakalozana sy nandinihana ireo olana sedraina eo amin’ny fampianarana, indrindra ny ady amin’ny hosoka sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ity fihaonana ity. Nampahafantarina ihany koa ireo fepetra sy toromarika, mikasika ny fahazoan-dalana sy ny fankatoavana ary hiantohana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny mari-pahaizana omena ny mpianatra.