Taorian’ny nanombohana izany tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga ny 16 novambra 2026, dia nitohy tao amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny 20 novambra 2026 ny fakan-kevitra ho famolavolana ny Politika Nasionaly momba ny trano fonenan’ny mpianatra.
Tanjona amin’izao fakan-kevitra izao ny hamantarana ny zava-misy sy ny fotodrafitrasa misy, ny filàn’ny mpianatra ary ny olana sedraina amin’ny resaka fonenana. Hodinihina ihany koa ny fomba fitantanana, ny fepetra hahazoana trano, ny andraikitry ny tsirairay, ary ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa.
Amin’ny alalan’izao fifampidinihana izao no hanangonana ny soso-kevitra avy amin’ireo mpisehatra samihafa, mba hamaritana politika nasionaly mifanaraka amin’ny zava-misy eny anivon’ny Oniversite sy ny filàn’ny mpianatra.
Mitohy hatramin’ny 11 desambra 2026 ny fakan-kevitra, izay hotanterahina amin’ireo Oniversite manerana ny Nosy. Azony rehetra atao ihany koa ny manome soso-kevitra ao amin’ny