Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny 20 Novambra 2026, teny amin’ny CCI Ivato, ny andiany faha-5 amin’ny Salon International des Affaires et de l’Entrepreneuriat (SIAE), izay tanterahina ny 19 hatramin’ny 22 Novambra 2026, ao anatin’ny fankalazana ny Andron’ny Indostria eto Afrika sy ny Herinandron’ny Fandraharahana.
Sehatra iray mampifandray ireo orinasa Malagasy mila fanohanana sy ireo mpiara-miombona antoka, ny SIAE. Notsindriana nandritra ny lanonana fanokafana ny maha-zava-dehibe ny fanodinana ny akora fototra, ny fanohanana ny tanora ary ny famoronana asa ho azy ireo, izay anisan’ny laharam-pahamehan’ny Fitondram-panjakana.
Nisongadina tamin’ity andiany ity ihany koa ny voka-pikarohana sy ny zava-baovao atolotry ny ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES toy ny loko azo avy amin’ny zava-maniry ampiasaina amin’ny lamba landy sy coton, fatana mitsitsy, vokatra azo ampiasaina ho zezika sady ody biby, ary trano vita amin’ny bambou ao amin’ny CNRIT. Etsy ankilany, mampahafantatra ireo masomboly vary novokariny ny FOFIFA, miaraka amin’ireo zava-bita momba ny cacao sy ny apemba, ary ny fampahafantarana ny UNIPOD. Ny 19 novambra 2026 ihany koa dia nandray anjara tamin’ny famelabelaran-kevitra momba ny fanohanana ny tanora ary ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ny talen’ny Fikarohana sy ny Haivao.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin. Nanatrika ny lanonana ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ary nitsidika ireo tranoeva mampiseho ny voka-pikarohana sy ny famoronana.