𝑀𝑎𝑛𝑜ℎ𝑦 𝑛𝑦 𝑒𝑧𝑎𝑘𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑣𝑒𝑙𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑖𝑧𝑎-𝑚𝑎𝑛𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑜𝑟𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑘𝑛𝑜𝑙𝑜𝑗𝑖𝑎 𝑛𝑜𝑚𝑒𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 (𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆), 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐻𝑢𝑎𝑤𝑒𝑖.

Mpianatra Malagasy voafantina avy amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Oniversiten’i Fianarantsoa, Oniversiten’i Vakinankaratra ary Oniversiten’Antsiranana no handray anjara amin’ny fandaharana asa iraisampirenena « Seeds for the Future », karakarain’ny Huawei any Shenzhen, Chine.

Natolotry ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy niaraka tamin’ny solontenan’ny Huawei ny 19 novambra 2026 teto Fiadanana ny tapakila andehanan'izy ireo amin'izany.

Mandritra ny herinandro, dia hahazo fiofanana sy fahalalana momba ireo teknolojia maoderina, ny "Inteligence Artificielle" (IA), ny 5G ary ny Cloud Computing izy ireo hahafahany mahafantatra bebe kokoa ny fivoaran’ny teknolojia sy mahazo traikefa mivantana avy amin’ireo manampahaizana eo amin’ny sehatra.

Seeds for the Future moa dia fandaharana asa iraisampirenena momba ny fampivelarana ny tanora eo amin’ny sehatry ny teknolojia nomerika, izay nokarakarain'ny orinasa sinoa Huawei nanomboka tamin’ny taona 2008.