𝑀𝑎𝑛𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑟𝑜𝑏𝑜𝑟𝑜𝑏𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑡𝑒𝑘𝑛𝑜𝑙𝑜𝑗𝑖𝑎 𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑎ℎ𝑎𝑓𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑜𝑟𝑎 𝑚𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎 𝑣𝑎ℎ𝑎𝑜𝑙𝑎𝑛𝑎 𝑚𝑖𝑣𝑎𝑖𝑛𝑔𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎, 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 (𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆).

Araka izany dia nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny « Forum national de la création et de l’innovation technologique », andiany voalohany, teny Ankatso, ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny 19 novambra 2026.

Notsindriany ny maha-zava-dehibe ny firaisankina eo amin’ireo Anjerimanontolo sy ny famporisihana ny tanora hiroso amin’ny fikarohana, mba hahatonga ny vokatra azo ho azo ampiasaina sy hitondra fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny Malagasy.

Haharitra roa andro ny hetsika. Mampiavaka azy ny famaranana ny fifaninanana nasionaly momba ny haivao ara-teknolojia, izay andraisan’ireo Anjerimanontolo avy amin’ny Faritra samihafa anjara anisan’izany ny Oniversiten'i Fianarantsoa, ny Oniversiten'i Toliara ary ny Oniversiten'Antsiranana. Zava-baovao ara-teknolojia miisa 25, ahitana prototype 11 sy application 14, no aseho. Tanora 25 efa nandalo dingana “incubation” no mampiranty sy hampiseho ny vokatry ny famoronana nataony. Mifantoka amin’ny sehatra dimy lehibe ireo haivao ireo : ny fambolena sy ny fiarovana ny sakafo, ny fahasalamana nomerika, ny angovo azo havaozina, ny fanabeazana nomerika ary ny fanavaozana ara-tsosialy.