Manohy ny ezaka amin’ny fanohanana ny mpianatra sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana hanohy fianarana any ivelany.

Ny 18 Novambra 2026, noraisin’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy teto Fiadanana ireo mpianatra Malagasy miisa 80 voafantina hahazo vatsim-pianarana makany Alzeria, ho an’ny taom-pianarana 2026-2027.

Nitsodrano sy nirary soa azy ireo ny Minisitra, ary nanolotra ny « attestations » manamarina ny fahazoan’izy ireo ny vatsim-pianarana. Nohamafisiny fa avy amin’ny Faritra samihafa manerana an’i Madagasikara ireo voafantina. Notsiahiviny ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fiverenan’ireo mpianatra an-tanindrazana rehefa vita ny fianarana, mba hampiasana ny fahalalana sy ny fahaiza-manao azony ho fampandrosoana an’i Madagasikara.