Manohy ny ezaka amin’ny ady amin’ny hosoka (FOSIKA) sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ka voakasik’izany na ny oniversitem-panjakana na ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina amin’ny Fanjakana.

Tao anatin’izany no nanatanterahana ny fihaonana tamin’ireo tompona andraikitra sy solontenan’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina ao Mahajanga sy ny manodidina, ny 17 novambra 2026. Notarihin’ny Talen’ny Kabinetran’ny MESUPRES, Dr RAMAHEFASOA Barbin, sy ny Fitaleavana misahana ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao (DAAQ), tarihin’ny Dr RAKOTONIAINA Bearisoa, izany.

Anisan’ny tanjona ny fanavaozana sy fanaraha-maso ireo antontan-taratasy fangatahana fahazoan-dalana sy fankatoavana, ary ny fanombanana ny kalitaon’ny fiofanana sy ny fotodrafitrasa. Nifampidinihana ihany koa ny ady amin’ny hosoka sy ireo paikady hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony, araka ny zava-misy eny ifotony mba hahafahana miara-mamolavola ny teti-pivoarana mifanaraka amin’ny filàna sy ny zava-misy eny anivon’ny toeram-pampianarana.

Hitohy any amin’ireo Oniversite manerana ny Nosy izao fihaonana izao. Ny Oniversiten’Antsiranana indray no handray ny fihaonana manaraka, ny 20 novambra 2026.