Natomboka tao amin’ny Oniversiten’i Mahajanga, ny 16 novambra 2026, ny fakan-kevitra ho famolavolana ny Politika Nasionaly momba ny trano fonenan’ny mpianatra, notarihin'ny Talen’ny Kabinetran'ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Dr RAMAHEFASOA Barbin, ary mandrindra izany ny “Centre National des Œuvres Universitaires “ tarihin'Atoa RANDRIAMANANTENA Steph Eric.

Hotanterahina manerana ireo Oniversite lehibe eto Madagasikara izany, mba hamaritana sy handrindrana ny politika momba ny fonenan’ny mpianatra, araka ny zava-misy iainan’izy ireo ankehitriny sy ny filàna amin’ny ho avy.

Maro ireo fotodrafitrasa efa naorina ka ilaina ny fandrindrana ny fampiasana azy ireny mba hifanaraka amin’ny tena filàn’ny mpianatra. Efa dinihina ihany koa ny fomba hanatanterahana izany. Omena lanja manokana amin’ity fakan-kevitra ity ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra, noho ny anjara andraikitra lehibe sahanin’izy ireo amin’ny fandrindrana sy ny fanamorana ny fizarana trano fonenana, indrindra nandritra ireo fotoan-tsarotra.

Namaly ny antso ireo solontenan’ny mpianatra nasionaly sy isam-paritra, ny fikambanana ara-pedagojika sy ara-pinoana, ny aumônerie, ny fikambanan’ny mpianatra silamo, ny solontenan’ny Fitondram-panjakana sy ny Kaominina, ary ireo mpampianatra sy lehiben’ny sampam-pianarana.

Ankoatra ny fifanakalozan-kevitra mivantana, dia misy ihany koa ny fanangonana ny hevitry ny rehetra amin’ny alalan’ny fanontaniana an-jotra (en ligne), izay mbola azo fenoin’ny tsirairay tsy an-kanavaka.

Hitohy any amin’ireo Oniversite hafa manerana ny Nosy ny fakan-kevitra ifotony, araka ny tetiandro efa napetraka, hatramin’ny 11 desambra 2026. Aorian’izany, hatambatra sy hodinihina ireo angon-kevitra voaray mba hamolavolana politika nasionaly mifototra amin’ny zava-misy sy azo tanterahina.