𝑀𝑎𝑛𝑎𝑚𝑎𝑓𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎-𝑚𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑖 𝐼𝑛𝑑𝑜𝑛𝑒𝑧𝑖𝑎 𝑖 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎, 𝑚𝑏𝑎 ℎ𝑎𝑛𝑎𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦, 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑖𝑧𝑎-𝑚𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑛𝑜𝑚𝑒𝑟𝑖𝑘𝑎 𝑎𝑟𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑜𝑟𝑎.
Ny 13 novambra 2026 dia nisy ny fihaonana teo amin’ny delegasiona Malagasy, nahitana ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ary ny Ivon-toerana Nasionaly momba ny Fampianarana Ampitain-davitra (CNTEMAD) , sy ny Asosiasi Inkubator Bisnis Indonesia (AIBI). Nandritra izany no nanaovana sonia ny fifanarahana (MOU), izay hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny tanora, hanamora ny fahazoana asa ary hampiroborobo ny fandraharahana.
Anisan’ny sehatra lehibe voakasik’ity fiaraha-miasa ity ny fanovana ny CNTEMAD ho Oniversite an-jotra ho an’ny daholobe. Manana ivon-toerana miisa 54 sy mpianatra 13 000 hatramin’ny 15 000 isan-taona ny CNTEMAD, ka natao hanitarana ny fahafahan’ny rehetra mahazo fampianarana ambaratonga ambony manara-penitra manerana ny Nosy izany.
Ny CNTEMAD izay ao anatin'ny fanovana ara-nomerika ny fampianarana ambaratonga ambony. Tohanan'ny tetikasa DECIM (Digital and Energy Connectivity for Inclusion in Madagascar), izay vatsian'ny Banky Iraim-pirenena,ary eo ambany fiahian'ny MNDPT, ny fioavany ho Université Virtuelle Publique dia mikendry indrindra ny fanitarana ny fahazoan'ny rehetra kalitaom-pampianarana mendrika.
Eo ihany koa ny fametrahana Technopark, izay hampifandray ny fiofanana, ny fanohanana ireo tanora mpandraharaha, ny fanavaozana sy ny fampiasam-bola, mba hahafahan’izy ireo mamorona sy mampivelatra orinasa vaovao.
Tanjona amin’izany ny hanomezana fahalalana, fahaiza-manao ary sehatra ahafahan’ny tanora malagasy mahazo asa, mamorona asa ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny Firenena.