𝑀𝑎𝑛𝑜𝑙𝑜𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑣𝑜𝑎𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑒𝑘𝑛𝑜𝑙𝑜𝑗𝑖𝑎 𝑠𝑦 ℎ𝑎𝑛𝑎𝑡𝑠𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑙𝑜𝑡𝑟𝑎 𝑜𝑚𝑒𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑑𝑎ℎ𝑜𝑙𝑜𝑏𝑒 𝑑𝑖𝑎 𝑎𝑛𝑖𝑠𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑝𝑎𝑖𝑘𝑎𝑑𝑦 𝑛𝑎𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑦 𝑛𝑦 𝑀𝑖𝑛𝑖𝑠𝑖𝑡𝑒𝑟𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝐴𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑘𝑎𝑟𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑟𝑎-𝑡𝑠𝑖𝑎𝑛𝑠𝑎 (𝑀𝐸𝑆𝑈𝑃𝑅𝐸𝑆) 𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑓𝑜𝑚𝑏𝑎 𝑓𝑖𝑎𝑠𝑎 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑎𝑙𝑎𝑙𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑛𝑜𝑚𝑒𝑟𝑖𝑘𝑎.
Notanterahina mivantana sy nampitain-davitra ny 13 novambra 2026, teto Fiadanana ny lanonana fanokafana sy fampiasana amin’ny fomba ofisialy ny sehatra nomerika e-Courrier. Sehatra ahafahan’ny rehetra mametraka, mandefa ary manara-maso amin’ny alalan’ny aterineto ny fizotry ny taratasy karakaraina eto anivon'ny Minisitera, tsy voatery hivezivezy intsony. Mahazo fampandrenesana amin’ny alalan’ny mailaka ihany koa ny mpampiasa rehefa vita ny fikarakarana ny antontan-taratasiny.
Nandritra ny lahateniny, nanamafy ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy fa tsy mijanona amin’ny fanomezana fitaovana informatika ny fanovana nomerika, fa natao hanatsarana sy hanafainganana ny fomba fiasa, mba hisy fiantraikany mivantana amin’ireo mpisitraka ny tolotra omen’ny Minisitera ary kasaina hitarina any amin’ireo Oniversite izany. Nanao antso ho an’ny rehetra ihany koa ny Minisitra mba handray anjara amin’ny fampiharana sy ny fampahombiazana ity rafitra vaovao ity.
Manodidina ny 90%-n’ny taratasy karakarain’ny MESUPRES no mandalo amin’ity sehatra ity. Tafiditra anatin’izany ny fikarakarana ny fangatahana fahazoan-dalana hanao iraka ivelan’ny Firenena (ordre de mission extérieure). Voaaro tanteraka ny fenitra takiana amin’ny fiarovana ny angon-drakitra. Misahana izany ny Fitaleavana ny Rafitra Informatika sy ny Teknolojia Vaovao (DSINT), tarihin’ny Dr RASOAMANANA Radoniaina Andriantsiresy. Efa mahatratra valo ihany koa amin’izao fotoana ireo tolotra azo ampiasaina amin’ny alalan’ny tranonkala ofisialin’ny Minisitera.
Nandritra ny lanonana dia nisy ny fanolorana fitaovana informatika ho an’ireo fitaleavana eto anivon’ny MESUPRES, ho fanohanana ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fampiharana ny fitantanana nomerika.