Ao anatin'ny fampiharana ny toromarika napetraky ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, izay mikendry ny fanatsarana ny kalitaon'ny fikarohana sy ny vokatr'izany eto Madagasikara, dia nanatanteraka fitsidihana sy fihaonana araka asa tany amin'ny Oniversiten'i Strasbourg (Frantsa) ny 4 sy 5 novambra 2026 ny delegasiona malagasy, nahitana ny Tale Jeneralin'ny Fikarohana Ara-tsiansa (DGRS), Pr RATSIMBASOA Claude Arsène, sy ny Talen'ny Ivontoerana Nasionaly momba ny Fampahalalana sy ny Antontan-kevitra Ara-tsiansa sy Ara-teknika (CIDST), Ramatoa RAJAONARISON Marcella Julie.
Nisy fifanakalozan-kevitra tamin'ireo mpitantana sy ny ekipa teknikan'ny Oniversiten'i Strasbourg nandritra izany. Nifantoka tamin'ny sehatra telo lehibe ireo fifanakalozana ireo: ny fanatsarana ny fampiofanana eny amin'ny Sekoly Doktoraly; ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ireo oniversite; ny fanatsarana ny fahazoana loharanom-baovao sy tahirin-kevitra ara-tsiansa.
Nodinihina ihany koa ny fomba fanaraha-maso ireo mpianatra eny amin'ny Sekoly Doktoraly, ny fisorohana ny plagiat ary ny fampiroboroboana ny siansa misokatra.
Dingana iray manamafy ny fiaraha-miasa ara-tsiansa iraisam-pirenena izao fihaonana izao. Mikendry ny hanatsara ny kalitaon'ny fikarohana sy ny fampiofanana eny amin'ny ambaratonga ambony eto Madagasikara izy io.