Nofaranana tamin’ny fizarana loka sy ny mari-pankasitrahana ho an’ ireo mpandray anjara ny lanonana famaranana ny Universiade ny 8 novambra 2026 tao amin'ny Gymnase Vatofotsy.

Niara nanolotra izany ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy sy ny Minisitry Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa RASAMBANY Alain Désiré ary ireo tompona andraikitra isan-tsokajiny sy mpiara-miombona antoka.

Nankasitrahana manokana ny Oniversiten’i Vakinankaratra izay tarihin'ny Dr ANTSONANTENAINARIVONY Ononamandimby tamin'ny fikarakarana sy fandraisana ny Universiade 2026.

Misahana ny fikarakarana ny hetsika eto anivon’ny MESUPRES ny Fitaleavana misahana ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, tarihin’ny Dr ANDRIAMANDIMBY Souleman Ibrahim izay sady Filohan'ny Kômity nasionaly mikarakara ny Universiade.

𝐈𝐫𝐞𝐨 𝐧𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨 𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐡𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐚𝐥𝐨𝐡𝐚𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐟𝐢𝐟𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 :

- 𝑭𝒂𝒏𝒆𝒏𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂

Oniversiten’Antananarivo

- 𝑩𝒂𝒐𝒍𝒊𝒏𝒂 𝒌𝒊𝒕𝒓𝒂

𝑺𝒐𝒌𝒂𝒋𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 : Oniversiten’i Toliara

𝑺𝒐𝒌𝒂𝒋𝒚 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒍𝒂𝒉𝒚 : Oniversiten'i Fianarantsoa

- 𝑩𝒂𝒔𝒊𝒌𝒆𝒕𝒚

𝑺𝒐𝒌𝒂𝒋𝒚 𝒗𝒆𝒉𝒊𝒗𝒂𝒗𝒚 : Oniversiten’i Fianarantsoa

𝑺𝒐𝒌𝒂𝒋𝒚 𝒍𝒆𝒉𝒊𝒍𝒂𝒉𝒚 : Oniversiten’i Fianarantsoa

« 𝐹𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 »