Nofaranana tamin’ny fomba ôfisialy ny 8 novambra 2026, tao amin’ny Gymnase Antsirabe, ny Universiade 2026 – Vakinankaratra, izay nampivondrona mpianatra avy amin’ny Oniversite, IST ary ivotoeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina amin'ny Fanjakana miisa 19 manerana an’i Madagasikara.
Tonga nanatrika sy namarana izany ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ary ireo mpikambana maro eo anivon’ny Governemanta.
Nidera ny fahavitrihana sy ny ezaka nasehon’ireo mpianatra ny Filohan’ny Fanavaozana ary nanohana ny fitohizan'ny hetsika. Nanolotra 40 tapitrisa Ariary, ho fanampiana ireo mpandray anjara amin'ny Universiade 2026 ny Filoha hanampiana azy ireo amin'ny fodiana sy ny sisa.
Nafana ny lalao famaranana teo amin’ny taranja baolina kitra sy basikety, sokajy lahy sy vavy tamin'ity andro ity ary nanohana hatrany ireo mpilalao ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nampiavaka ny lanonana ihany koa ny Match de Gala nifanandrinan'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Mpanolotsaina Avo niaraka tamin'ireo minisitra ary solombavambahoaka tamin'ireo manampahefana tao an-toerana.
Hetsika iray namelona ny talenta, nampitombo ny firahalahiana sy fifanajana ary nanamafy ny firaisankina teo amin’ny tanora ny Universiade 2026.
Toamasina no handray ny Universiade amin’ny andiany manaraka.
« 𝐹𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 »