Nafana ny fifaninanana nandritra ny lalao manasa-dalana teo amin’ny taranja baolina kitra sy basikety, sokajy lahy sy vavy, notanterahina ny 7 novambra 2026, tao amin’ny Vélodrome sy ny Gymnase Antsirabe.

Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lalao ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kôlonely RAMPANARIVO Thierry, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ary ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Dr RAMIARISON Herinjatovo Aimé, niaraka tamin’ireo tompona andraikitra isan-tsokajiny.

Mitohy araka izany ny fifaninanana, ary miandry ny famaranana ny rehetra. Sehatra iray hanamafisana ny firahalahiana eo amin’ny samy mpianatra ary hampiroboroboana ny tontolon’ny Oniversite ny Universiade 2026.

« 𝐹𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 »