Manohana hatrany ny ezaka amin'ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fanatsarana ny fari-piainana ary tontolo iainan’ny mpianatra ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES).

Mifanaraka amin'izany vina izany no nananganana ny “Residence Universitaire” ho an'ny tovovavy eny amin'ny Akamasoa hahafahan’izy ireo manohy ny fianarany, ary mandray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara.

Namaly ny fanasan'izy ireo hitsidika ity toerana ity ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 6 novambra 2026 mialoha ny hitokanana azy ny 7 novambra 2026.

𝘩𝘵𝘵𝘱𝘴://𝘸𝘸𝘸.𝘧𝘢𝘤𝘦𝘣𝘰𝘰𝘬.𝘤𝘰𝘮/𝘍𝘰𝘯𝘥𝘢𝘵𝘪𝘰𝘯𝘈𝘹𝘪𝘢𝘯