Tonga niarahaba sy nitondra ny teny firariantsoa hoan’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-Tsiansa, Pr CHAMINAH Loulla teto Fiadanana ny delegasiona avy ao amin’ny FIZAMAMI (Flkambanan’ny ZAnaky Mahajanga Mitambatra) sy ireo « Comité des Sages » izay notarihan’ny Filohany, Andriamatoa SAMY Harison Olivier ny 09 septambra 2024.
Naneho ny hafaliany izy ireo amin’ny fanendrena ny Minisitra ary nanambara fa vonona ny hifanome tanana, hanao tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja amin’izay mety hifanampiana. Ao anatin’ny fitambarana sy fifanohanana ary firaisankina tokoa no ahafahana mampandroso.