Anisan’ny nampiavaka ny Universiade 2026 ny fampidirana ny Andron’ny Kolontsaina tao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny hetsika. Ankoatra ny fifaninanana ara-panatanjahantena, dia nomena sehatra ihany koa ireo mpianatra haneho ny talentany sy hampahafantatra ny harena ara-kolontsaina mampiavaka ny faritra misy azy avy.
Notanterahina ny 5 novambra 2026, tao amin’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, ity hetsika ity. Nifandimby nandritra ny 20 minitra avy ireo Oniversite nandray anjara, tamin’ny alalan’ny hira, dihy ary seho ara-kolontsaina samihafa. Nisy ihany koa ny fampirantiana nataon’ireo mpianatra.
Nahazo ny laharana voalohany ny Oniversiten’Antananarivo, ny laharana faharoa ny Oniversiten’Amoron’i Mania, ary laharana fahatelo ny Oniversiten’Anosy.
Nisy ihany koa ny nofokena mitam-pihavanana natolotry ny Faritra Vakinankaratra ho an'ireo mpianatra.