Notanterahina teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, Ankatso, ny 4 novambra 2026, ny hetsika « Univ'Event » andiany fahatelo, izay natrehan’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Nandritra izany no nihaonany sy nifampiresahany mivantana tamin’ireo mpianatra.
Nanamafy ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana hanohana ny fampianarana ambaratonga ambony ny Filohan'ny Fanavaozana. Tao anatin’izany no nanolorany bus Foton miisa dimy ho an’ny Oniversiten’Antananarivo. Nampahafantarina ihany koa ny Kianja filalaovana basikety izay nohatsaraina.
Nankasitraka ny fandraisana andraikitry ny mpianatra ny Filohan’ny Fanavaozana ary nanentana azy ireo amin’ny firaisankina sy fandraisana andraikitra.
Karakarain’ny fikambanan’ny mpianatra pedagojika ny Univ'Event, hampifandraisana ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana samihafa, hampahafantarana ny lalam-piofanana ary hanamafisana ny firaisankina sy ny fifanampiana eo anivon’ny Oniversite.
Nanotrona ny hetsika ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana sy ireo Minisitra samihafa. Nisolo tena ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa ny Talen’ny Kabinetra.