Nihaona tamin'i Dmitri STAROSTINE, Filoha Lefitry ny Governemantan'ny Faritra Nijni Novgorod ao Rosia, ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, ny 28 oktobra 2026, tao amin'ny biraon'ny African Initiative.

Nifantoka tamin'ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny fihaonana, indrindra amin'ny alalan'ny fifandraisana sy fifanakalozana eo amin'ireo Oniversite Malagasy sy Rosiana.

Noresahana ihany koa ny fahafahana mampiroborobo ny fampianarana teny rosiana eto Madagasikara amin'ny alalan'ny fampianarana ampitain-davitra.

Tanjona ny hanokatra sehatra vaovao ho an'ny fifanakalozana ara-pahalalana, ny fiaraha-miasa ara-tsiansa ary ny fanitarana ny fahafahan'ny tanora Malagasy misitraka fampianarana sy traikefa iraisampirenena.

📷©️𝑨𝒇𝒓𝒊𝒄𝒂𝒏 𝑰𝒏𝒊𝒕𝒊𝒂𝒕𝒊𝒗𝒆