Notanterahina tao amin’ny Campus France, Paris, ny 2 novambra 2026, ny fihaonana natokana ho an’i Madagasikara (Journée Pays Madagascar), izay nifantoka tamin’ny fanavaozana ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Frantsa.

Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa notarihin’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ary nanamafy ny vina iombonana hametrahana ny fampianarana ambaratonga ambony, ny fikarohana ara-tsiansa ary ny haivao ho anisan’ny sehatra lehibe hanohanana ny Fanavaozana an’i Madagasikara.

Notsindrian’ny Minisitra nandritra ny lahateny fanokafana ny fanamafisana ny fahaleovantenan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny siansa sy ny fametrahana fiaraha-miasa iraisam-pirenena mifototra amin’ny fifanajana sy ny fampandrosoana iombonana.

Ny Journée Pays Madagascar dia fihaonana ofisialy karakarain’ny Campus France sy ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara. Tanjona ny hampahafantatra ny fanavaozana ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, hanamafy ny fiaraha-miasa ara-oniversite sy ara-tsiansa, ary hampiroborobo ny fifanakalozana sy ny tetikasa iarahan’ny Oniversite Malagasy sy Frantsay.