Nitarika ny Fananganan-tsaina teto Fiadanana, ny 2 Novambra 2026, ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), Pr ANDRIAMANIRAKA Jaona Harilala.
Naneho fisaorana noho ny fiaraha-miasa sy ny ezaka vita izy ary nanentana ny tsirairay hanatanteraka amin’ny an-tsakany sy an-davany ny asa manandrify azy, ho fanatsarana hatrany ny kalitao sy ny fahombiazan’ny asa. Ankoatra izany, nampahatsiahivina ny mpiasa rehetra amin'ny fanajana ny ora fiasana.
Mirary volana novambra mahafinaritra sy mahomby ho an’ny rehetra!