Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy, teto Fiadanana, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony Maorisiana Dr Kaviraj Sharma SUKON, sy ireo delegasiona niaraka taminy, ny 31 Oktobra 2026.
Nifantoka tamin’ny fanamafisana sy fanatsarana ny fiaraha-miasan’ny Firenena roa tonta sy ny Ranomasimbe Indiana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony ny dinika. Anisan’ireo lohahevitra nodinihina ny mikasika ny vatsim-pianarana sy ny fahafahana manohy ny fampianarana ambaratonga ambony any Maorisy.