« 𝐹𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 »
Taorian’ny andiany farany natao ny taona 2019 dia naverin’ny Fitondram-panjakana indray tamin'ny alalan'ny komity nasionaly miandraikitra ny Universiade ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina UNIVERSIADE ny taona 2026.
Nosokafan’ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy tamin’ny fomba ôfisialy tao amin'ny Gymnase Vatofotsy Antsirabe, Faritra Vakinankaratra, ny 31 oktobra 2026 ny hetsika. Notsindriany fa "𝒔𝒆𝒉𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒊𝒓𝒂𝒚 𝒎𝒂𝒎𝒑𝒊𝒗𝒐𝒏𝒅𝒓𝒐𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒏𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏𝒂 𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒅𝒂𝒈𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂𝒓𝒂 𝒏𝒚 𝑼𝒏𝒊𝒗𝒆𝒓𝒔𝒊𝒂𝒅𝒆, 𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏’𝒊𝒛𝒚 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒏𝒌𝒂𝒉𝒂𝒍𝒂𝒍𝒂 𝒔𝒚 𝒎𝒊𝒇𝒂𝒎𝒑𝒊𝒛𝒂𝒓𝒂". "𝑯𝒂𝒓𝒆𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒔𝒂𝒎𝒊𝒉𝒂𝒇𝒂𝒏𝒂, 𝒂𝒓𝒚 𝒑𝒐𝒓𝒐𝒇𝒐𝒏’𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒓𝒂𝒊𝒔𝒂𝒏𝒌𝒊𝒏𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒊𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒆𝒐 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒎𝒚 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒊𝒕𝒚 𝒉𝒆𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒊𝒕𝒚" hoy izy. Nambarany ihany koa fa "𝒌𝒂𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒉𝒂𝒎𝒑𝒊𝒅𝒊𝒓𝒊𝒏𝒂 𝒂𝒗𝒐𝒌𝒐𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒕𝒂𝒓𝒂𝒏𝒋𝒂 𝒂𝒓𝒂-𝒑𝒂𝒏𝒂𝒕𝒂𝒏𝒋𝒂𝒉𝒂𝒏𝒕𝒆𝒏𝒂 𝒓𝒆𝒉𝒆𝒕𝒓𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒎𝒃𝒐𝒌𝒂 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒂𝒏𝒅𝒊𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒓𝒂𝒌𝒂".
Mpianatra manodidina ny 1 200 avy amin’ny Oniversitem-panjakana 19 manerana an’i Madagasikara no mandray anjara amin’ity hetsika ara-panatanjahatena sy ara-kolontsaina andiany 2026 ity.
Ho an’ny lalao fanokafana, dia nifanandrina ny Oniversiten’i Vakinankaratra sy ny Oniversiten’Antsiranana.
Mandray ny hetsika izay tanterahina ny 30 oktobra hatramin’ny 8 novambra 2026 ny Oniversiten’i Vakinankaratra. Nanome voninahitra ny lanonana ireo olon-manakaja isan-tsokajiny tao an-toerana sy tompona andraikitra samihafa.