« 𝐹𝑖𝑟𝑎𝑖𝑠𝑎𝑛𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑠𝑦 𝑓𝑖ℎ𝑎𝑣𝑎𝑛𝑎𝑛𝑎 »

Carnaval lehibe namakivaky ny Gara Antsirabe nihazo ny Gymnase Vatofotsy no nanokatra ny hetsika UNIVERSIADE 2026 ny 31 oktobra 2026 tao Antsirabe. Nandritra izany no nanehoan’ireo mpianatra ny kolontsaina sy ny mampiavaka ny Faritra niaviany.

Mpianatra maherin'ny 4000 no nandray anjara tamin'ity carnaval lehibe ity avy amin’ny Oniversite 19 manerana an’i Madagasikara.