Anisan’ny sehatra jeren’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fampiharana ny Politika Nasionaly momba ny Angovo Nokleary, ho fanohanana ny fikarohana sy ny fampiasana ny teknolojia nokleary ho amin’ny fampandrosoana.
Nankalaza ny andron’ny Nokleary ny “Institut National des Sciences et Techniques Nucléaires” (INSTN), ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahian’ny MESUPRES, ny 29 oktobra 2026. Niompana tamin’ny « Teknolojia sy angovo nokleary » ny lohahevitra.
Nandritra izany no nanehoana ny fampiasana ny teknolojia nokleary amin’ny sehatra maro, toy ny famokarana angovo, ny fitsaboana, ny indostria, ny tontolo iainana ary ny fikarohana. Nisy ihany koa ny adihevitra momba ny fanekena ara-tsosialy ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany mety ahitana akora radioaktifa sy ny anjara toeran’ny angovo nokleary amin’ny fampivoarana ny loharanon’angovo eto Madagasikara.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Kolonely ANDRIAMIARISOA Gervais. Nandritra izany koa no nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpianatra nahavita fiofanana sy nanamarihana ny faha-90 taonan’ny Profesora RAOELINA ANDRIAMBOLOLONA, mpanorina ny INSTN. Nampiavaka ny hetsika ny fandraisan’anjaran’ireo vahiny avy aty Afrika sy Azia, izay nanatrika ny fiofanana iraisam-paritra notanterahina ny 26 ka hatramin’ny 30 oktobra 2026.