Nahatratra 407 ny fitarainana sy ny fanaraha-maso voaray nandritra ny herintaona nanatanterahana ny Hetsika FOSIKA, izay sehatra natsangan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana ara-Tsiansa ho fanadiovana sy fanatsarana ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony.
Amin’ireo antontan-taratasy ireo, 265 no nokarakarain’ny Cellule Anti-Corruption (CAC) eto anivon’ny MESUPRES, 27 no nampitaina any amin’ny Birao Mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO), ary 100 mikasika ny tsy fahatomombanana teo amin’ny famolavolana ny tolotra fampiofanana (offres de formation), ka azo nojerena sy nahitsy teto anivon’ny Minisitera ihany. Mbola nisy fitarainana 15 voaray taty aoriana ihany koa.
Voakasika ireo fitarainana ireo ny ambaratonga Licence, Master ary Doctorat. Miankina amin’ny vokatry ny fanadihadiana sy ny dingana ara-dalàna ny fepetra horaisina. Na izany aza, dia azo raisina avy hatrany ny fepetra fampiatoana raha misy tsy fahatomombanana lehibe hita eny anivon’ny toeram-pampianarana. Ao anatin’ny sazy ara-pifehezana mety hampiharina ihany koa ny fangatahana fanesorana na fanafoanana diplaoma (retrait de diplôme), arakaraka ny tranga sy ny fepetra voalazan’ny lalàna.
Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety natao teto amin’ny MESUPRES, Fiadanana, ny 29 Oktobra 2026, no nanazavan’ny Talen’ny Kabinetra, Dr RAMAHEFASOA Barbin, sy ny Mpandrindra ny Sehatra miady amin’ny Kolikoly eto amin’ny MESUPRES, Atoa JAONA Clément ary ny Talen’ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao (DAAQ), Dr RAKOTONIAINA Bearisoa, ireo antontan’isa sy fomba fiasa ireo.
Entanina ny olom-pirenena mba hanolotra porofo miaraka amin’ny fitarainana ary hanaraka hatramin’ny farany ny dingana atao, mba hahafahana mandray fepetra mifanaraka amin’ny lalàna.