Ny 28 oktobra 2026, nihaona tamin’ireo mpianatra Malagasy monina sy mianatra any Rosia ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy. Nandritra izany dia nisy ny fifanakalozan-kevitra momba ny fiainan’izy ireo any an-toerana sy ny tontolon’ny fianarana.
Nitsidika ny RUDN University ihany koa ny Minisitra. Anisan’ireo Oniversite malaza amin’ny fandraisana mpianatra avy amin’ny Firenena afrikanina maro eto Rosia ity ivon-toeram-pampianarana ambaratonga ambony ity.
Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny MESUPRES dia manamafy hatrany ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambaratonga ambony, ary manohana ny mpianatra Malagasy manohy fianarana any ivelany.