Nanatrika ny andiany fahatelo amin’ny Fihaonambe ara-toekarena sy maha-olona 2026 eo amin’ny Rosia sy Afrika, tanterahina ny 28 sy 29 oktobra 2026, any Rosia, ny delegasionina Malagasy, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël.

Miaraka aminy ihany koa ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana, Dokotera-Jeneraly ZAFITASONDRY Marcellin, sy mpikambana ao amin’ny Governemanta vitsivitsy, nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.

Ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana sy ho fanomezan-danja ny fahaiza-manao sy ny fandrosoana ara-teknolojia dia nisy ny fanaovan-tsonia fifanarahana an-tsoratra (mémorandum) niarahana tamin'ny Rosia. Nanatrika ny “séance plénière” nitondra ny lohahevitra « Un partenariat scientifique entre la Russie et l’Afrique : à partir des recherches conjointes vers le leadership technologique », ihany koa ny Minisitra ny 28 oktobra 2026.