Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana - Fanavaozana sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, dia nametraka ny tetikasa “Soutien à l’amélioration de la Vie étudiante et Compétences d’Avenir” (SAVICA), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, izay iarahana miasa amin’ny “Agence Française de Développement” (AFD).
Tafiditra anatin’ity tetikasa ity ny atrikasa fanofanana momba ny famolavolana drafitra fampandrosoana eny amin’ny Oniversite (PDI), izay natao ny 27 oktobra 2026 teny amin’ny UNIPOD, niaraka tamin’ny fanohanan’ireo manam-pahaizana manokana avy ao amin’ny “Cap Compétences”. Mandray anjara amin’izany ireo tompona andraikitra misahana ny PDI isaky ny Oniversite, mba hananana fomba fiasa iraisana sy fitaovana azo ampiharina amin’ny fandrafetana ny drafi-pampandrosoana eny anivon’ny Oniversite.
Haharitra hatramin’ny 30 oktobra 2026 ny fanofanana. Tanjona ny hanamafisana ny fitantanana sy ny fandrindrana stratejika eny anivon’ny Oniversite, amin’ny alalan’ny fametrahana vina mazava sy drafitra fampandrosoana maharitra.
Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny atrikasa ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo.