Ny 23 oktobra 2026 nanome tantsoroka sy torolalana ho an'ireo toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsy miankina, amin’ny famenoana ny canevas fangatahana na fanavaozana ny fahazoan-dalana (Habilitation), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) ho famaliana ny antson'izy ireo.
Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra nampitoviana ny fomba fiasa sy nanomezana fanazavana fanampiny momba ny fepetra takina amin’ny fahazoan-dalana.
Nampahafantarina azy ireo tamin'izany ny vinavinan-tetikasa kasain’ny Minisitera hapetraka manomboka amin’ny taona hoavy , mikasika ny fandrindrana foibe ny famoahana diplaoma (centralisation de la délivrance des diplômes), izay natao hanamafisana ny fiarovana sy hanatsarana ny fanaraha-maso ny diplaoma.
Nitarika ny fihaonana ny Tale Jeneralin'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony Pr RAHERINIRINA Angelo, niaraka tamin’ny Talen'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, Dr RAMAHAZOSOA Irish Parker sy ny Talen'ny Fankatoavana sy ny Fiantohana ny Kalitao, Dr RAKOTONIAINA Bearisoa.