“𝐹𝑖𝑎𝑛𝑡𝑜ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑘𝑎𝑙𝑖𝑡𝑎𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦 : 𝐴𝑣𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑒𝑝𝑒𝑡𝑟𝑎 𝑡𝑎𝑘𝑖𝑛𝑎 𝑒𝑜 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑠𝑒ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎 𝑛𝑎𝑠𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙𝑦 𝑚𝑎𝑛𝑘𝑎𝑛𝑦 𝑎𝑚𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝑓𝑎𝑚𝑝𝑖ℎ𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑒𝑛𝑦 𝑎𝑛𝑖𝑣𝑜𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑜𝑒𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑚𝑝𝑖𝑎𝑛𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑎𝑟𝑎𝑡𝑜𝑛𝑔𝑎 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑛𝑦”.
Ao anatin’ny ezaka fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony eto Madagasikara, dia notanterahina mivantana sy nampitain-davitra teto Fiadanana, ny 23 oktobra 2026, ny atrikasa sy fiofanana momba ny fiantohana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony. Nanokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny atrikasa ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo.
Natao ity atrikasa ity mba hananana fahatakarana iombonana momba ny fenitra nasionaly, ny fiantohana ny kalitao, ny fomba fiasa amin’ny fahazoana alalana sy ny fankatoavana, ary ny fanombanan-tena. Tanjona ihany koa ny famantarana ireo dingana azo tanterahina hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana, arakaraka ny fivoaran’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony tsirairay.
Nandray anjara tamin’izany ireo manam-pahaizana manokana sy solontenan’ny Vondrona Eoropeanina eto Madagasikara sy ny Nosy Kaomoro, ireo solontenan’ny toeram-pampianarana ambaratonga ambony miankina sy tsy miankina eto Madagasikara ary tompona andraikitra isan-tsokajiny eto amin’ny MESUPRES.