Noraisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy ny 21 oktobra 2026, teto Fiadanana, ny delegasiona avy amin’ny PHARMA MAR, notarihin’ny Filoha lefitra misahana ny Fikarohana sy ny Fampandrosoana, Dr Carmen CUEVAS.
Fitsidihana ara-pomba fanajana izay natao ao anatin’ny fanohizana ny fiaraha-miasa voafaritra tao amin’ny “Convention quadripartite” iarahan’ny MESUPRES sy ireo ivon-toeram-pikarohana eo ambany fiahiany, dia ny Centre National de Recherche Océanographique (CNRO) sy ny École Doctorale Sciences Marines et Halieutiques (EDSMH) ao amin’ny Oniversiten’i Toliara, ary ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga sy ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Nisy ihany koa ny fanolorana ny vokatry ny fikarohana ara-simika natao tamin’ireo biby tsy manana hazondamosina an-dranomasina nangonina teto Madagasikara izay natrehin’ny Tale Jeneralin’ny Fikarohana ara-tsiansa, Pr RATSIMBASOA Claude Arsène. Tanjona iray lehibe ny ahitana singa ahafahana mitsabo ny homamiadana.
Marihina fa ny fikarohana mifandraika amin’ny fanangonana natao tamin’ny taona 2024 ity notanterahina ity. Efa nisy kosa ny fanolorana ny vokatry ny fikarohana momba ny fanangonana natao tamin’ny taona 2022 sy 2023, tamin’ny taon-dasa.