Natomboka ny 21 oktobra 2026, tao amin’ny UNIPOD, ny dinika asa fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny famaritana ireo sehatra ifantohan’ny Oniversite eto Madagasikara. Nosokafan’ny Tale Jeneralin’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, Pr RAHERINIRINA Angelo, tamin’ny fomba ôfisialy izany, ary hitohy ny 22 sy 26 oktobra 2026.

Karakarain’ny MESUPRES ao anatin’ny fandaharana asa SAVICA, miaraka amin’ny fanohanan’ireo mananam-pahaizana manokana avy ao amin’ny Cap Compétences ity dinika ity. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Oniversite sy ny MESUPRES, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ary hampifanaraka ny fahaiza-manaon’ireo Oniversite amin’ny filàn’ny Firenena.

Hodinihina ny fiaraha-miasa efa misy, ny fifampizarana traikefa sy loharanon-karena, ary ny famaritana ireo sehatra manokana ahafahan’ny Oniversite tsirairay mampivelatra ny fahaizany sy ny tanjany. Mandray anjara amin’izany ireo Tale isan-tsokajiny sy tompona andraikitra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony eto amin’ny MESUPRES.

Ny SAVICA dia fandaharana asa tohanan’ny Agence Française de Développement (AFD). Anisan’ny sehatra ifantohany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Oniversite sy ny mpiara-miombona antoka, ary ny fampivoarana ny kalitaon’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana.