𝑀𝑎𝑚𝑒𝑡𝑟𝑎𝑘𝑎 ℎ𝑎𝑡𝑟𝑎𝑛𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑎ℎ𝑎𝑠𝑎𝑙𝑎𝑚𝑎𝑚-𝑏𝑎ℎ𝑜𝑎𝑘𝑎 𝑠𝑦 𝑛𝑦 𝑓𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎𝑘𝑎𝑟𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑚𝑎ℎ𝑎 𝑜𝑙𝑜𝑛𝑎 ℎ𝑜 𝑙𝑎ℎ𝑎𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎ℎ𝑎𝑚𝑒ℎ𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑡𝑜𝑛𝑑𝑟𝑎𝑚-𝑝𝑎𝑛𝑗𝑎𝑘𝑎𝑛𝑎 𝑡𝑎𝑟𝑖ℎ𝑖𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑖𝑙𝑜ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝐹𝑎𝑛𝑎𝑣𝑎𝑜𝑧𝑎𝑛𝑎 𝑛𝑦 𝑅𝑒𝑝𝑜𝑏𝑙𝑖𝑘𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑖𝑘𝑎𝑟𝑎.
Mankalaza ny faha-75 taonany, ny 20 oktobra 2026, ny « Centre Hospitalier Universitaire d’Appareillage de Madagascar » (CHUAM), ivontoeram-pitsaboana miompana amin’ny fitsaboana ara-batana, manolotra fanarenana ara-batana (rééducation) sy ny fikarakarana ireo olona manana fahasembanana ara-batana.
Notanterahina ny 20 oktobra 2026 ny lanonana fanokafana ny fankalazana, izay natao teo ambany fiahian-dRamatoa RANDRIANIRINA Elisa, vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanatrika izany ireo vadin’ny Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana sy ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, nahitana ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy.
Nandritra izao fanokafana ny fankalazana izao, dia nisy ny fitokanana ny takelam-pahatsiarovana ny faha-75 taona, fitsidihana ny tranoheva sy ny ivontoeram-pitsaboana ary fijerena ireo fitaovana vokarina ao amin'ny CHUAM.
Teny faneva nentina nanokatra ny fankalazana ny hoe : « Tsy ho vesatra ho an’ny hafa ».