Notanterahina teto Fiadanana, ny 20 oktobra 2026, ny fanaovan-tsonia ny fanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES), ny Conservatoire National des Arts et Métiers (CNAM) Paris, Frantsa, ary ny CNAM Madagascar. Natao ihany koa ny fanaovan-tsonia fifanarahana fampiharana niarahana tamin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny Oniversiten’i Fianarantsoa ary ny Institut National des Sciences Comptables et de l’Administration d’Entreprises (INSCAE).
Fanavaozana andiany faharoa ity, taorian’ny fifanarahana voalohany nosoniavina tamin’ny taona 2018. Tanjona ny hampaharitra ireo ezaka efa vita sady hanokatra sehatra vaovao ho an’ny fampivoarana ny tolotra fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny sehatra ara-toekarena eto Madagasikara, hoy ny Minisitra Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy nandritra ny lahateniny.
Mivelatra amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa, ahitana ny fanofanana mpampiofana, ny fifanakalozana traikefa sy fahaiza-manao, ny fanekena ny fahaiza-manao azo avy amin’ny traikefa araka asa (VAE), ary ny fampiroboroboana ny fiofanana an-tserasera. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny famoronana fiofanana Master momba ny fitantanana ny tolotra ara-pahasalamana, iarahan’ny Oniversiten’Antananarivo, ny INSCAE ary ny CNAM Madagascar, ary ny fampivelarana fiofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny Faritra, toy ny fizahantany ara-tontolo iainana sy ny asa tanana, iarahan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny CNAM Madagascar.