Taorian'ny tao ao amin'ny Oniversiten'Itasy dia mitohy any amin'ny Oniversite’Analanjirofo, any Fenoarivo Antsinanana ny fanofanana mpampianatra ataon'ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa. Nanomboka ny 04 martsa 2024 ity fanofanana ity ary naharitra hateloana.
Izany dia tafiditra ao anatin'ny politika ankapoben'ny fanjakana tanterahan'ny Ministera ao anatin’ny 100 andro ho fanomezana fampianarana tsara kalitao ho an'ny rehetra ary hampitana fomba fiasa vaovao entina mampianatra.