Manoloana ny toe-draharaha misy ao amin'ny Oniversiten'Antsiranana, dia tapaka nandritra ny fivoriana natrehina sy nampitain-davitra notanterahina ny 17 oktobra 2026 maraina teto amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESUPRES) fa hampiandraiketina mpikambana 150 avy amin’ny Hery Fiarovana sy ny Filaminana (FDS) ny fiambenana ny campus universitaire, mitohy ny tsy fahafahana mivezivezy ao anatin'ny faritry ny Oniversite, ary hisy ny fandravonana sy ny fifampiresahan'ireo tompona andrakitra sy Olobe amin’ireo mpianatra, mba hitadiavana vahaolana.
Izao fepetra izao dia niarahan’ny solontenan’ny Fiadidian'ny Fanavaozana ny Repoblika, ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, ny Préfet d’Antsiranana, ireo Lehiben’ny Faritra, ny FDS, ary ireo tompona andraikitry ny Oniversite nanapaka mba hiantohana ny fiarovana ny mpianatra ary hamerenana haingana ny fampianarana.